Tayc, Julien Boadjie kamgang
Ankapobeny
AnaranaTayc, Julien Boadjie kamgang
Teraka2 may 1996
ToeranaMarseille
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaFrance
Asa :Mpihira
Asa hafaMpamoron-kira
Fiainana manokana

Julien Bouadjie kamgang dia teraka tamin'ny 2mai 1996 tao Marseille. Izy dia mpihira, mpamoron-kira, mpihira sady mpandihy frantsay.

Tamin'ny taona 2024, izy no mpanakanto frantsay be mpihaino indrindra manerantany ao amin'ny Spotify, miaraka amin'i David Guetta, Dj Snake ary i Aya Nakamura.[1]

FIAINANY SY Ny ASANY

hanova

Tayc dia teraka tamin'ny 2 may 1996 tao Marseille avy any Kamerona ny fiavian'ny ray aman-dreniny.

Tamin'ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tamin'ny tontolon'ny mozika, rehefa nifindra tany Paris. Talohan'ny nanolorany tena ho amin'ny fihirana sy ny fanoratana hira dia efa niezaka nanao teatra sy dihy izy.

Tayc dia nikarakara fampisehoana lehibe voalohany tany Paris, tamin'ny 19 oktobra 2019 tao amin'ny Trianon de Paris.

H.E.L.I.O.S (2018-2019)

hanova

Namoaka "mixtape" faharoa izy, tamin'ny 27 jolay 2018, mitondra ny lohateny hoe: H.E.L.I.O.S.

Namoaka ny rakikira voalohany mitondra ny lohateny hoe: NYXIA izy, tamin'ny 15 febroary 2019. Nohavaozina in-droa io rakikira io: tamin'ny 21 jona 2019, nivoaka ny rakikira NYXIA Tome II, ary tamin'ny 13 desambra 2019, nivoaka ny NYXIA Tome III.[2][3]

Tamin'ny jona 2019, namoaka ny clipn'ilay hira "Ewondo ou Bami" niarahany tamin'ny mpitendry saxophone Kameroney malaza, i Manu Dibango izy. Ao anatin'io hira io izay ahitana Nyxia Tome II, milaza ny fiaviany Kameroney i Tayc ary manasongadina ny kolontsain'i Afrika Afovoany, indrindra ny kamerona.

Nanao fampisehoana lehibe voalohany tany Paris izy, tamin'ny 19 oktobra 2019, tao amin'ny Trianon de Paris.

Fleure froide (2020-2022)

hanova

Namoaka ilay hira hoe: "N'y pense plus" izy, tamin'ny 22 jona 2020, sy clip iray notarihin'i Kevin Still. Ho fanambarana ilay rakikira "Fleure froide", dia io no hira voalohany navoaka, izay nivoaka tamin'ny 4 desambra 2020. Io rakikira io dia nahazo metaly mitarehim-bolafotsy telo. Tamin'ny 19 novambra 2021, nivoaka indray ilay rakikira miaraka amin'ny lohateny kely hoe: "la cristallisation", niaraka tamin'ny hira vaovao maro.

Nandresy tamin'ny fifaninana "Danse avec les stars" izy, tamin'ny 26 novambra 2021, niarahana tamin'i Fauve Hautot, tao amin'ny TF1, niatrika an'i Bilal Hassani sy Michou tamin'ny famaranana.

Tamin'io taona io ihany, nanao ny anjara asany voalohany amin'ny maha mpanao sarimihetsika azy izy, tao amin'ny minisérie, nitondra ny lohateny hoe: Christmas Flow, nivoaka tao amin'ny Netflix tamin'ny 17 novambra 2021. Amin'ny maha mpihira rap antsoina hoe: "Marcus", dia nandray anjara tamin'io izy.

Niaraka namoaka "clip" mitondra ny lohateny hoe: No No No" i Tayc sy i Jason Derulo, tamin'ny Aogositra 2022.

Hita niaraka tamin'i Zaho izy tamin'ny clip "solo" ,tamin'ny oktobra 2022.

Room 69 (2023)

Tamin'ny volana may 2023, namoaka EP mitondra ny anarana Room 69 i Tayc.

Heritage (2023-2024)

hanova

I Tayc sy i Dadju dia nanambara fa hamoaka rakikira iombonana tamin'ny faran'ny taona 2023. Io rakikira io dia nivoaka tamin'ny febroary 2024.[4]

Tamin'ilay hira "Ymmy, Ymmy", niarahany tamin'i Shreya Ghoshal sy Rajat Nagpal, tamin'ny volana martsa 2024, dia nahazo laza maneran-tany izy. Remixn'ilay hira: "N'y pense plus" navoakany io hira io.[5]

Izy no mpanakanto frantsay faharoa be mpihaino indrindra maneran-tany ao amin'ny Spotify, tamin'ny jolay 2024, miaraka amin'i David Guetta, Dj Snake ary i Aya Nakamura.

Ny niavian'ny fiantsoana azy hoe: Tayc, dia fanafohezana avy amin'ny teny Anglisy hoe <<Take All You Can>>, izay midika hoe: <<Alaivo daholo izay azonao alaina>>.

Fiainany manokana

hanova

Fiainana manokana sy taranaka

hanova

Niaraka tamina Amerikana iray antsoina hoe: Brady izy, tamin'ny fahavaratra 2022 ka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2023. Nanao fanambarana tao amin'ny "TikTok" ilay ramatoa, tamin'ny volana jona 2024, ahitana fiapangana toy ny fanaovana herisetra ara-pihetseham-po sy fampiasana ny feony tsy nahazoana alalana tao amin'ny hira "Success".

Nandritra ny tafatafa iray tamin'ny volana febroary 2024, dia nambaran'ilay mpanakanto fa vao nahazo zanaka lahy izy, teraka ny 18 novambra 2023.

Fahafatesan'ny mpitantana sy ny namany tamin'ny fahazaza

hanova

Namoy ny ainy i Kévin Corne, antsoina hoe Kevin D'en Haut , tamin'ny volana aogositra 2024, izay mpitantana sy namana akaiky azy tamin'ny fahazazany, teo amin'ny fahavalo amby roapolo taonany.

Namoaka ilay hira "Pōseïdon" ilay mpanakanto tamin'ny 24 novambra 2024, ho fanomezam-boninahitra ho azy.

Loharano

hanova

1.CAMEROUN – LE PHÉNOMÈNE TAYC

2.Biographie et Lyrics de TAYC - Artiste Cameroun

3.Tayc ⋆ Musique Urbaine ⋆ Le portail Hip Hop Rap RnB

4.https://www.leparisien.fr/culture-loisirs/musique/cest-la-folie-comment-tayc-est-devenu-une-star-en-inde-grace-a-la-reprise-de-son-tube-yimmy-yimmy-21-07-2024-SXVUYVJHTBAGVH4U7FTYRDE3KE.php

5.https://fr.wikipedia.org/wiki/Tayc

6.https://www.fnac.com/a13946944/Tayc-NIXIA-Tome-I-II-et-III-Coffret-CD-album

7https://music.apple.com/fr/album/nyxia-tome-iii/1487198170

8.https://www.parismatch.be/culture/musique/2024/02/27/le-succes-fou-de-dadju-et-tayc-avec-lalbum-heritage-on-voulait-casser-notre-image-de-crooner-et-demontrer-nos-qualites-video-3GDUJR4C4JBXFK6S2T6P7SXUKA/#

  1. https://fr.wikipedia.org/wiki/Tayc
  2. 6.https://www.fnac.com/a13946944/Tayc-NIXIA-Tome-I-II-et-III-Coffret-CD-album
  3. https://www.parismatch.be/culture/musique/2024/02/27/le-succes-fou-de-dadju-et-tayc-avec-lalbum-heritage-on-voulait-casser-notre-image-de-crooner-et-demontrer-nos-qualites-video-3GDUJR4C4JBXFK6S2T6P7SXUKA/#
  4. 8.https://www.parismatch.be/culture/musique/2024/02/27/le-succes-fou-de-dadju-et-tayc-avec-lalbum-heritage-on-voulait-casser-notre-image-de-crooner-et-demontrer-nos-qualites-video-3GDUJR4C4JBXFK6S2T6P7SXUKA/#
  5. 4.https://www.leparisien.fr/culture-loisirs/musique/cest-la-folie-comment-tayc-est-devenu-une-star-en-inde-grace-a-la-reprise-de-son-tube-yimmy-yimmy-21-07-2024-SXVUYVJHTBAGVH4U7FTYRDE3KE.php