Paiso
Ny paiso dia zavamaniry mihintsan-dravina sady fihinam-boa, ao amin' ny fianakaviana Rosaceae. Avy any Sina eo anelanelan' ny lempona Tarim sy ny ilany avaratry ny Tendrombohitra Kunlun, ny paiso, nefa ankehiriny dia volena manerana izao tontolo izao, indrindra any amin' ny faritra manana toerany antonony mafana sy toetany ambanin' ny zana-pehin-tany. Ny anaran' ny paiso ara-tsiansa dia Prunus persica.

Toetoetran' ny paiso
hanovaNy karazana paiso
hanovaMahatratra 300 any ho any ny karazana paiso, ka ny voan' ny sasany misy hodiny voloina miloko mavo na fotsy sady misy vihy tsy miraikitra amin' ny nofony, ny voan' ny sasany voloina ihany koa nefa miraikitra amin' ny hodiny ny vihiny, ny voan' ny sasany malama hoditra sy misy vihiny tsy miraikitra amin' ny nofony, ny voan' ny sasany malama hoditra sy misy vihiny miraikitra amin' ny nofony.
Famokarana paiso
hanovaNy paiso volena dia efa azo akana voany rehefa feno fito hatramin' ny sivy taona. Ny fivarotana paiso voatahiry dia misahana toerana lehibe amin' ny raharaham-barotra. Tamin' ny tenantenan' ny taona 1980 dia mihoatra ny 445 000 taonina isan-taona ny paiso notehirizina tany Etazonia fa ny totaliny maneran-tany dia nahatratra 5 500 000 taonina. I Etazonia sy Italia no firenena mpamokatra sy mpanondrana paiso betsaka indrindra maneran-tany. Isan' ny mpanondrana paiso koa i Grisia sy i Frantsa.

