Voaroy
Ny voaroy dia zavamaniry misy tsilo isan-karazany fa tsy tokana, izay samy misy voany kely menamena, ka ny ankamaroany dia ao amin' ny vondron-karazana Rubus (ao amin' ny fianakavian-javamaniry Rosaceae) sy Hibiscus (ao amin' ny fianakavian-javamaniry Malvaceae). ary indraindray Morus (ao amin' ny fianakavian-javamaniry Moraceae).


Ireto avy izy ireo:
- ny voaroibe (Hibiscus diversifolius),
- ny voaroihazo na hazondandy (Morus alba),
- ny voarohitsaka na voaroitanala (Rubus rosifolius),
- ny voaroimainty (Rubus apetalus, Rubus myrianthus, Rubus pauciflorus),
- ny voaroimbazaha (Rubus idaeus, Rubus idaeus),
- ny voaroimena (Rubus rosifolius),
- ny voarointsaka (Rubus rosifolius, Rubus apetalus),
- ary ny voarointsilo (Rubus pauciflorus, Rubus niveus).