Ny tontolo iainana dia ny zavamananaina sy ny zavatra tsy manana aina rehetra miseho ara-bojanahary. Ny teny hoe "tontolo iainana" dia matetika anondroana ny Tany na ny faritra sasany amin' ny Tany. Izany tontolo iainana izany dia mahafaoka ny fifandraisan' ny karazan-javamananaina rehetra, ny toetany, ny toetrandro ary ny harena voajanahary izay misy fiantraikany amin' ny fiainan' ny olombelona sy ny asa ara-toekarena.