Soanambo
Ny Artocarpus altilis dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Moraceae. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe lema, rima, soavanambo, voakoromanga, voankoromanga ary voankotra. Teratany any Ôseania ary volena ao amin' io faritra io hahazoana ny voany azo hanina. Miely patrana manerana ny faritra trôpikaly izy io ankehitriny. Karazana iray akaiky ny ampalibe (Artocarpus heterophyllus) izy io. Anarana ahalalana ity karazana ity koa ny hoe Artocarpus communis J. R. Forst. & G. Forst. sy Artocarpus incisa L. ary Radermachia incisa Thunb..

