Peter Schnittger
Ankapobeny
AnaranaPeter Schnittger
Teraka22 Mey 1941
Toerana-
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Alemaina
Asa :
Fiainana manokana

Peter Schnittger (teraka ny 22 mey 1941 tao Münden) dia Alemana mpanazatra lalao football (baolina kitra).

Lalam-piainana

hanova

Nanomboka tamin'ny taona 1968 i Schnittger no niasa tao amin'ny Sampan-draharaha Alemà misahana ny Fiaraha-miasa Teknika (GTZ). Nampiroborobo ny fampivelarana ny fanatanjahantena tany amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana izy. Ankoatra ny fanazarana ireo ekipam-pirenena, dia nandray anjara koa izy tamin'ireo tetikasa fotodrafitrasa sy ny fampiofanana ny tanora.

Tamin'ny maha-mpanazatra azy voalohany no nitarihany ny ekipam-pirenena ivoariana ho amin'ny lalao manasa-dalana tamin'ny fiadiana ny Amboaran'ny Ekipam-pirenena Afrikana. Ny taona nanaraka izany no nahazoan'ny klioba Kameroney Canon de Yaoundé ny Amboara Afrikana. Ny toerana hany naha-mpanazatra an'i Schnittger ivelan'i Afrika dia ny maha-mpanazatra nasionalin'i Thailandy azy nanomboka tamin'ny taona 1976 ka hatramin'ny taona 1978, rehefa tsy maintsy nofaranany noho ny ady an-trano ny asa maha-mpanazatra nasionaly tao amin'ny Federasionan'ny Football Etiopiana.

Dingan'Asa

hanova

Mampiavaka azy manokana moa ny tsy nanazarany afa-tsy ekipam-pirenena :

  • 1968–1970 : Mpanazatra Nasionalin'i Côte d'Ivoire
  • 1970–1973 : Mpanazatra Nasionaly sy Tale Teknika ao Kamerona
  • 1974–1976 : Mpanazatra Nasionalin'i Ethiopia
  • 1976–1978 : Mpanazatra Nasionalin'i Thailandy
  • 1978–1985 : Mpanazatra Nasionaly sady Tale Teknika teto Madagasikara (Barea)
  • 1986–1990: Tale Teknikan'ny Fampiofanana Mpanazatra tao amin'ny Federasionan'ny Football Maraokana
  • 1990–1994 : Mpanazatra Nasionalin'i Bénin
  • 1995–2000 : Tale Teknika aloha fa nanombola taona 1999 koa vao sady Mpanazatra Nasionalin'ny Federasionan'ny Football Senegaley
  • 2001–2002: Talen'ny Fampiofanana Mpanazatra ao amin'ny Federasionan'ny Football Maraokana
  • 2006-2008: Tsy nanaiky ho Mpanazatra fa ny ho Tale Teknikan'ny Federasionan'ny Football Alzeriana

Mari-boninahitra

hanova
  • 1970: Officier du Mérite Sportif de la Côte d’Ivoire
  • 1974: Ordre du Mérite Sportif du Cameroun
  • 1984: Officier de l’Ordre National du Mérite de Madagascar
  • 1994: Chevalier de l’Ordre National du Mérite du Bénin
  • 1998: Ordre du Mérite de la CONFEDERATION AFRICAINE DE FOOTBALL (CAF)
  • 2000: Officier de l’Ordre National du Mérite du Sénégal
  • 2015: DFB Verdienstspange

Jereo koa

hanova