Ny mpanoratra malagasy dia ireo olona avy eto Madagasikara na manana fifandraisana amin’ny kolontsaina malagasy izay mamorona asa soratra toy ny tononkalo, tantara, tantara foronina, lahatsoratra ara-pomba fijery, ary boky ho an’ny ankizy. Ireo mpanoratra ireo dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana sy fitehirizana ny literatiora malagasy, sady manampy amin’ny fampitana ny soatoavina, ny tantara, ary ny kolontsaina malagasy amin’ny taranaka mifandimby.



Famaritana

hanova

- Jean Nalisoa Ravalitera: "Zanahary tapany ny mpanoratra satria hainy ny mamorona ny tsy misy mba hisy... Raha zohiana anefa dia toa mpandrafitra ihany izy fa tsy mpamorona akory satria ny zava-misy eo amin'ny manodidina ihany no hatambany".

- Clarisse Ratsifandrihamanana: "Azo isaina ho isan'ny zava-mahagagan'ny fisiana ny mpanoratra".

Fehiny: Ny mpanoratra izany dia olona toy ny olona rehetra ihany, saingy nomena fahasoavana manokana handinika akaiky sy lalina kokoa ny zava-misy ka mitatitra izany ho an'ny hafa.

Ny anjara toerany, andraikiny, lanjany

hanova

- Milaza ny zava-misy,

- Miaro ny hevitry ny olona, miaro ny soatoavina,

- Mitaiza sy manabe ny mpiara-belona,

- Manome hasina ny tenin-drazana,

- Manefy ny toe-tsain'ny tsirairay... -manampy amin’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny boky, lahatsoratra, sy asa soratra . -Manazava zavatra sarotra amin’ny fomba mora azo -Manampy amin’ny fianarana any an-tsekoly sy anjerimanontolo -Mampiely fahalalana ara-tsiansa, ara-tantara, sy ara-kolontsaina malagasy

Mampiavaka azy

hanova

- Ny fahaizany: hoy i Randza Zanamihoatra ao amin'ny gazety Aingam-pivoarana, lah46:" Tsy maintsy manana fahalalana be dia be mihitsy ny mpanoratra".

- Ny talentany,

-Ny aingam-panahiny