Ny habokana, fantatra ihany koa amin'ny hoe aretin'i Hansen, dia aretina maharitra avy amin'ny bakteria Mycobacterium leprae na Mycobacterium lepromatosis. Ity aretina ity dia mety hitarika amin'ny fahasimban'ny kozatra, ny taovam-pisefoana, ny hoditra ary ny maso.

Hoditra voan' ny habokana

Tantara

hanova

Araka ny fifindran’ny olombelona voalohany, dia heverina fa tao Afrika Atsinanana no niandohan’ny habokana. Ny otrikaretin' ny habokana dia nandalo fiovana fototarazo kely nandritra ny fielezany maneran-tany, izay tena tsy fahita firy amin'ny bakteria.

Andro Taloha

hanova

Ny habokana dia iray amin'ny aretina tranainy indrindra fantatra. Voarakitra an-tsoratra tamin'ny zavatra hita 4 000 taona tany India, ankoatra ny toerana hafa.

Aretina fahita tamin’ny andron’ny Empira Rômana koa ny habokana, indrindra fa teo amin’ny mponina mahantra kokoa. Tamin'ny andron'i Cicero, tamin'ny taonjato voalohany tal JK, dia hita tamin'ny akamaroan'ny mponina tany Gresy sy Italia ny habokana.

Andro Antenatenany sy fiandohan'ny vanim-potoana môderina

hanova
Habokana

Ny habokana dia voarakitra an-tsoratra teo amin'ny Lombarrda tamin'ny taonjato faha-7 sy faha-8, nefa niely patrana koa tany amin'ny Fanjakana Franka.

Nanomboka tamin’ny taonjato faha-11, dia nisy endrika hospice manokana nanodidina ny tanàna lehibe: tranon' ny boka. Nisy hopitaly ho an’ny boka naorina tany Würzburg tamin’ny taonjato faha-11. Ny famerenana tsikelikely ny boka voailikilika teo aloha dia natao tamin’ny alalan’ny fepetran’ny Kônsilin' i Latran fahatelo tamin’ny taona 1179. Ny fihanaky ny habokana niely patrana kokoa tany Eoropa nandritra ny Andro Antenatenany dia matetika no lazaina fa ny Kroazada. Nahatratra ny fara tampony izy io tamin’ny taonjato faha-13 ary tsy hita tao amin’ny lisitry ny aretina mitaiza niely patrana tany Eoropa Afovoany tamin’ny faran’ny taonjato faha-16.

Nandritra ny fahitana ny lalana an-dranomasina nankany India, ny fahitana an’i Amerika, ny fanjanahana an’i Afrika, ary indrindra ny varotra andevo, dia niparitaka tany Indonezia, Afrika Andrefana, ary Amerika, ary koa tany Karaiba, Pasifika, ary Brezila ilay aretina.

Aty amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana

hanova

Any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana maro dia mbola olana lehibe ny habolana. Ny ankamaroan'ny olona voan' ilay aretina dia mipetraka any India, izay misy olona 110 000 mahery vao voan'ny aretina isan-taona. Brezila (tranga vaovao 25 000 mahery isan-taona) sy Indonezia (15 000 mahery) no tena voa mafy, nefa maro koa ny marary aty Afrika.

Habokana eto Madagasikara

hanova

Manodidina ny 1 600 eo ho eo ny trangan'ny habokana eto Madagasikara isan-taona[1].

Fitsaboana

hanova

Amin'ny ankapobeny dia heverina ho azo sitranina ny habokana. Teo anelanelan'ny taona 1995 sy 2015, efa ho 16 tapitrisa ny marary notsaboina maneran-tany.

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Fondation Follereau: En finir avec la Lepre