Gentianales
Ny Gentianales dia filaharan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka. Amin' ny toetran' ny Gentianales, ny voalohany dia ny fisian' ny farobolan-dahimbony tokana, izay miditra ao amin' ny vondrom-pelambony, ka izany rehetra izany dia miteraka faribolana efatra ao amin' ny voniny iray manontolo. Ny vavimbony dia eo ambony fa kely ka lasa singam-bavimbony roa. Ny tahom-bavimbony dia tokana foana, fa ny fihary atodinaina, izay matetika mitambatra, dia malalaka ao amin' ny fianakaviana Asclepiadaceae sy Apocynaceae.

Fanasokajiana anatiny
hanovaFanasokajiana klasika
hanovaAo amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981), dia misy fianakaviana enina ny filaharana Gentianales:
- Apocynaceae
- Asclepiadaceae
- Gentianaceae
- Loganiaceae
- Retziaceae
- Saccifoliaceae
Fanasokajiana APG
hanovaNy Fanasokajiana filôjenetika APG (1998) sy ny Fanasokajiana filôjenetika APG II (2003) ary Fanasokajiana filôjenetika APG III (2009) dia nanova ny firafetan' ilay filaharana izay ahitana ireto fianakaviana 5 manaraka ireto
- Apocynaceae Juss. (1789) (tafiditra ao ny Asclepiadaceae)
- Gelsemiaceae Struwe & V.A.Albert (1995)
- Gentianaceae Juss. (1789) (tafiditra ao ny Saccifoliaceae)
- Loganiaceae R.Br. ex Mart. (1827)
- Rubiaceae Juss. (1789) (fianakavian' ny kafe)
Raha ny marina dia ny Rubiaceae ihany no mpikambana vaovao.