Caladium
Ny Caladium dia antokon-javamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Araceae ao amin' ny filaharana Arales na Alismatales (arakaraka ny fanasokajiana). Misy karazana zavamaniry 12 eo ho eo izy io. Mifandray akaiky amin' ny antoko Alocasia sy Colocasia ary Xanthosoma izy. Maniry amin' ny faritra mazava anaty ala sy eny amoron-drano ny Caladium. Matory izy ireo mandritra ny fizaràn-taona maina. Mahatratra 40 ka hatramin' ny 90 sm ny haavon' ny karazana maniry hoazy, ary manana sakany 15 sm sy lavany 45 sm ny ankabeazan' ny ravina. Misy poizina ny faritra rehetra amin' ireo zavamaniry ireo, ka tsy tokony hatelina, ary mety hampamaivay ny hoditra.
Lisitry ny karazana
hanovaMaro ny anarana natolotra ho an' ny karazana sy ovan-karazany ao amin' ny antoko, saingy ny ankamaroan' ireo anarana ireo dia nafindra amin' ny antoko hafa na heverina ho mitovy hevitra amin' ny anarana hafa. Ireto manaraka ireto no ekena:
- Caladium amazonicum E.G.Gonç.
- Caladium andreanum Bogner
- Caladium bicolor (Aiton) Vent.
- Caladium clavatum Hett., Bogner & J.Boos
- Caladium coerulescens G.S.Bunting
- Caladium cortesiae Croat & E.G.Gonç.
- Caladium humboldtii (Raf.) Schott
- Caladium intermedium E.G.Gonç.
- Caladium macrotites Schott
- Caladium palaciosii Croat & L.P.Hannon
- Caladium picturatum K.Koch & C.D.Bouché
- Caladium praetermissum Bogner & Hett.
- Caladium schomburgkii Schott
- Caladium smaragdinum K.Koch & C.D.Bouché
- Caladium steudnerifolium Engl.
- Caladium stevensonii Croat & Delannay
- Caladium steyermarkii G.S.Bunting
- Caladium ternatum Madison
- Caladium tuberosum (S.Moore) Bogner & Mayo
Napetraka eto taloha
hanova- Phyllotaenium lindenii André (1872) (← Caladium lindenii (André) Madison)