I Andriamandresy dia mpanjakan' i Menabe tamin' ny taonjato faha-16, tamin' ny taona 1560, zanakalahin' Andriamandazoala izy ary Andriamisara no rahalahiny. Izy roa ireo sy sy ny anabavin' izy ireo iray dia niampita ny reniranon' i Mangoky ka nahita ny Fanjakan' i Menabe. Nandimby an' Andriamandazoala rainy izy ary Andriandahifotsy no nandimby azy (1610-1685).

Anisan' ny mpanjakan' i Menabe folo amin' ny efatra ambin' ny folo tokavina amin' ny Fitampoha izy, araka izao filaharana izao: Tsiranto na Andriamisara - Rahiala na Andriamandresy - Andriamihaminarivo na Andriandahifotsy - Andriamahatindriarivo - Andrianilainarivo - Andriatahoranarivo - Andriamihoatrarivo - Andriamanetriarivo - Andriamamotroarivo - Andriatsihoenarivo na Kamamy (rain' ny printsesy Kamamy).

Andriamandresy, rehefa voaroaka tao Menabe taorian' ny herisetra nifandimby teo amin' ny laharan' ny fifandimbiasana no nanorina ny foko Antesaka[1].

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.